
Nanomboka tamin’ny taona 1980 dia efa namatsy vola fikarohana maro samihafa ny AEECL. Anisan’izany ny lafiny “cytogénétique”, ny “taxonomie” ary “distribution” tamin’ny karazan-gidro vitsivitsy toy ny vari-bolo, ny fitsidika ary ny sifaka. Fa i Sahamalaza no nataon’ny AEECL vai-doha-draharaha momban’ny fikarohana sy ny fiarovana nanomboka tamin’ny taona 1988.
Tamin’ny taona 2004 dia naorina ny ivo toeram-pikarohana sy ivo toeram-piasana tao amin’ny alan’ny Ankarafa anatin’ny vala-java-boahari-pirenena Sahamalaza Nosy Radama. Ireo mpikaroka avy tamin’ny AEECL sy avy tamin’ny anjerimanontolo tao Antananarivo sy tao Mahajanga no niara-nisala nanao izany.
Tao anatin’ny fandaran’asan’ny AEECL no nanantanterahana fikarohana lavitr’ezaka voalohany toy ny “écologie nutritionnelle”, ny “socio-écologie” ary ny “état parasitaire” mikasika ny akomba manga maso.
Ny fikarohana izay ataonay ao Sahamalaza sy maneranan’i Madagasikara dia mikasika ny karazan-gidro atahorana ho lany taranaka ary miompana amin’ny fiantraikan’ny fiovana sy fahasimban’ny ala misy ireo karazan-gidro ireo sy ny fiainany. Izany fikarohana izany dia natao mba hamolavolana tetik’asa sy fandraharan’asa entina miaro azy ireo.
Manao fikarohana koa izahay mpikambana ao amin’ny AEECL mikasika ny karazan-gidro izay tazomina sy tehirizina anaty vala. Ny tanjona dia entina hanatsarana sy hanaraha-maso akaiky ny fahasalamana sy ny fiterahan’ireo karazan-gidro ireo.
| Année | Sujet d'Etude | Chercheur(s) |
| 1999 | Etude de la densité de Eulemur macaco flavifrons dans la Presqu’île Radama | Rakotondratsima Marius |
| 1999 | Inventaire floristique et étude de la formation forestière dans la Presqu’île Radama | Ralimana Hélène et Ranaivojaona Rolland |
| 2000 | Etat hydrogéologique de Sahamalaza | Rakotojoelimaria Rindra |
| 2000 | Etude socio-économique préliminaire dans la presqu’île de Sahamalaza | Samby et Bevoavy |
| 2002 | Etude préliminaire sur la population des Potamochères et analyse des problèmes qu’ils causent dans la presqu’île Sahamalaza | Andrianjakarivelo Vonjy |
| 2002 | Recensement des amphibiens, reptiles et insectivores de la presqu'île de Sahamalaza | Andreone F., Randrianirina J., Vences M. |
| 2002 | Etude de la variabilité des séquences de l'ADN mitochondrial des populations de E. macaco flavifrons | Jean-Luc Fausser |
| 2003 | Inventaire en vue de délimiter l'aire de répartition et la distribution des E. macaco flavifrons | Randriatahina Guy Hermas |
| 2003 | Etude de la variabilité des E. m. flavifrons par l'utilisation de microsatellites | Jean-Luc Fausser |
| 2004 | Inventaire des populations de lépilemur dans la forêt d’Ankarafa, Sahamalaza. | Mathias Craul et Gillian Olivieri |
| 2004 | Contribution à l’étude bio-écologique des populations d’Eulemur macaco flavifrons dans quelques fragments forestiers de la presqu’île Sahamalaza | Volampeno Sylviane |
| 2004 | Evaluation rapide de la population d’Eulemur macaco flavifrons en dehors de la péninsule de Sahamalaza | Andrianjakarivelo Vonjy |
| 2004-2006 | Utilisation de l’habitat, budget d’activité et étude parasitaire et ses modes de transmission chez Eulemur macaco flavifrons | Nora Schwitzer |
| 2004-2006 | Nutrition et la distribution de la nourriture spatio-temporellement chez Eulemur macaco flavifrons | Christoph Schwitzer |
| 2004-2008 | Etude de l'organisation sociale de groupes de E. m. flavifrons dans la forêt d'Ankarafa | Randriatahina Guy Hermas |
| 2005 | Comportement alimentaire d’Eulemur macaco flavifrons | Randrianarisoa Aimée Lucienne |
| 2005 | Activité diurnal d’Eulemur macaco flavifrons | Tyann Marsh |
| 2006 | Contribution à la connaissance du statut de l’Ibis sacré de Madagascar Threskiornis bernieri à Sahamalaza | Andrianarimisa |
| 2006 | Etude cytogénétique et moléculaire des Lepilemur de la presqu'île de Sahamalaza: découverte d'une nouvelle espèce, L. sahamalazensis | Andriaholinirina Nicole et al. |
| 2007 | Population density and habitat use of Lepilemur sahamalazensis [EN] | Felicia Ruperti and Rabesandrasana Paul Miki |
| 2008 | Habitat preferences of Lepilemur sahamalazensis [EN] | Felicia Ruperti |
| 2008 | Participatory mapping of the Ankarafa Forest [EN] | Jamie Smith and James Thorn |
| En cours | Etude des populations d’Eulemur macaco flavifrons : Développement social des petits, comportement maternel, estimation de la densité et description de l’habitat | Volampeno Sylviane |